FRANCE Médias MONDE RFI-FRANCE 24 SY NY CFI

Mandritra ny fandalovany any Frantsa dia nitsidika ny vondrona 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐌𝐞́𝐝𝐢𝐚𝐬 𝐌𝐨𝐧𝐝𝐞 (RFI – France 24) sy ny 𝐂𝐅𝐈, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝑴𝑨𝑹𝑨 𝑽𝒐𝒍𝒂𝒎𝒊𝒓𝒂𝒏𝒕𝒚 𝑫𝒐𝒏𝒏𝒂 androany. Nanatanteraka dinik’asa fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jerim-panjakana (TVM sy RNM), niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ireo vondrona ireo izy. Nivoitra tamin’izany ny mahazava-dehibe ny fanamafisam-pahalalana ho fanatsarana hatrany ny haino aman-jerim-panjakana (modernisation des chaines publiques).