AKON’NY FAMPAHATSIAHIVINA NY FAHATERAHAN’NY REPIBLIKA I

Nosokafana ho toeram-pampirantiana ny tantaran’ny Repobilika nanomboka ny taona 1958, ny lapan’Andafiavaratra. Isaky ny enim-bolana no miova ny fampirantiana.

Ho fanombohana izany sady ho fanamarihana ny datin’ny 14 oktobra dia mikarakara fampirantiana tahirin-tsary sy tahirin-kevitra ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nanokatra izany androany ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina malagasy 𝐌𝐚𝐫𝐚 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐦𝐢𝐫𝐚𝐧𝐭𝐲 𝐃𝐨𝐧𝐧𝐚.

Maimaimpoana ny fitsidihana ny fampirantiana eny Andafiavaratra.