AKON’ NY FANANGANAN-TSAINA NY ALATSINAINY 14 OKTOBRA 2024

Nitarika ny fananganan-tsaina teto Anosy, ny Alatsinainy lasa teo, ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, 𝐌𝐀𝐑𝐀 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐦𝐢𝐫𝐚𝐧𝐭𝐲 𝐃𝐨𝐧𝐧𝐚. Nandritra izany no nanaovany tatitra fohy tamin’ireo mpiara-miasa momba ireo asa rehetra vita tato anatin’ny herinandro vitsy, isan’izany ny fanatrehana ny fivoriana momba ny fampodiana ny kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera tany Paris, ny fankalazana ny Taom-baovao Lohataona ary ny fitokanana ireo asa fanaovaozana ny fahitalavi-pirenena TVM. Nisaotra ny mpiara-miasa tamin’ny fiaraha-mientana ka nahafahana nanatontosa ireo asa ireo izy nandritra ny lahateny fohy nataony teto Anosy.