FAMAHANA NY OLAN’NY FAMATSIANA RANO ETO AN-DRENIVOHITRA.

Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny ny Repoblika dia natsangana ny Centre Opérationnel RANO (COR) izay napetraka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ho fandrindrana ireo hetsika voniy maika hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto an-

drenivohitra. Nifarimbona nifanome tanana eo anivon’izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ho fanamafisana sy fampiharana ny paikady napetraka.

Nisy avy hatrany ireo fepetra noraisina :

– 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐢𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 : nitombo 2 ka hatramin’ny 25 ny isan’ny kamiao mpitatitra rano, izay miantoka ny fitsinjarana tsara kokoa sy ny famaliana haingana kokoa ny filan’ny mponina rano.

– 𝐅𝐚𝐧𝐞𝐭𝐬𝐞𝐡𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝐅𝐃𝐒): hiantohana ny fiarovana ireo hetsika natao sy hisorohana izay tranga mety hanakorontana ny fitsinjarana rano.

– 𝐎𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟏𝟓𝟎 𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐧𝐨 𝐧𝐞𝐭𝐬𝐞𝐡𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧’𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 hanohana ny asa sy hanamafisana ny fitsinjarana.
– 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 : fiara, motopompes, solosaina, tranolay ary fitaovana samihafa ilaina mba hiantohana ny fahombiazan’ireo hetsika.
Nahitam-bokany avy hatrany ireo fepetra noraisina ireo toy ny fitomboan’ny famatsian-drano ho 1000m3 isanandro raha toa ka 200m3 teo aloha, ny fihenan’ny fotoana fiandrasana eny amin’ny toerana fitsinjarana rano, latsaky ny 50 ireo « bidons » milahatra en amin’ireo paompin-drano, tsy nisy ihany koa ny fihetsiketsehana mifandraika amin’ny rano nanomboka ny alarobia lasa teo.

Ankoatra ny fitsinjarana rano ireo dia hisy ny

fanamboarana « forages » vaovao na na fanajariana izay simba misa 35 izay ho vitaina ao anatin’ny iray volana.