AKON’ NY FARITRA AMORON’ I MANIA

Taorian’ny Faritra SAVA, nitsidika ny Faritra Amoron’i Mania ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐌𝐀𝐑𝐀 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐦𝐢𝐫𝐚𝐧𝐭𝐲 𝐃𝐨𝐧𝐧𝐚 tamin’ity herinandro ity. Manomboka eny ifotony ny fiovana hoy ramatoa minisitra. Zava-dehibe ho azy ny fanomezana hasina ny kolontsaina sy ny maha olona. Nitsidika ny rovan’Ambositra izy araka izany ary nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry Serasera sy ny Kolontsaina Amoron’i Mania.