21 Oct 2024

Catégorie : Education civique & citoyenne

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO MAEVATANANA 

TAGNAMARO MAEVATANANA Fanadiovana ny manodidina ny CRENI sy ny Service Pédiatrie ao amin’ny CHRR Maevatanàna. Nodiovina ihany koa ny toerana izay nambolena zanaka ananambo taloha ka hoaverina hatao tanin’anana ho fanampiana ireo Ray amandreny mitondra ny zanany hotsaboina sy arahi-maso ao amin’ny CRENI.

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO ANDILAMENA 

TAGNAMARO ANDILAMENA Nanohy ny fanamboarana ny lalana Ambany Andrefana ireo mponina ao Andilamena nandritra ny hetsika TAGNAMARO natao androany sabotsy 16 aprily 2022. Nototofana vatokely sy fasika ireo lavaka ary nanamboarana lakandrano ny sisin’ny lalana. Mampifandray kaominina 08 amin’ny renivohitry ny distrikan’Andilamena ity lalana ity.

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO BEALANANA 

TAGNAMARO BEALANANA Tsy diso anjara fa indray nifarimbona nanantanteraka ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina ihany koa ny tao Bealanana tamin’ity andron’ny Asabotsy 16 Aprily ity. Ny fanadiovana ny « Résidence » ny Distrika ao an-toerana no natao. Nanamafy teto ny lehiben’ny Distrika…

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY BONGOLAVA 

TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY BONGOLAVA Fanadiovana faobe, fisavana ireo tatatra manodidina ny fokontanin’ny Tsaralalàna kaominina ambonivohitra Tsiroanomandidy no nanamarihana ny Tagnamaro tamin’ity volana Aprily ity. Betsaka hatrany ireo mponina nandray anjara ho fanamafisana ny firaisankina tao anatin’ny fanatanterahana ny asa iombonana. #MSK #DRCC_Bongolava #Tagnamaro

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

AKON’NY TAGNAMARO : ANTSIRANANA 1 

AKON’NY TAGNAMARO : ANTSIRANANA 1 Tontosa androany 16 Aprily 2022 ny TAGNAMARO izay nataon’ny Fikambanan’ny Filohan’ny 25 Fokontany eto Antsiranana-I izay tarihin’ny Filoha Sergino KADER. Fanavaozana ny lokon’ny biraon’ny fokontany « Avenir » no niaraha-nanao satria ity no birao anisan’ny ela indrindra eto Antsiranana, tamin’ny taona 1978…

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO ANTSOHIHY 

TAGNAMARO ANTSOHIHY Tato anatin’ny andro maromaro no nahatsapana fa lasa tanteraka ireo oranandro mikija nentin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Ankehitriny, hiditra amin’ny vanim-potoana ririnina sy maintany ny aty amin’ny tapany avaratra. Araka izany, nosafidiana manokana tato amin’ny toerana misy ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina no…

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO SAINTE MARIE 

TAGNAMARO SAINTE MARIE Fanamboaran-dalana teto an-tampon-tananan’i Sainte Marie ho fanatsarana ireo toerana miandrondrano rehetra teto an – toerana. Tao bato avy tamin’ny tsena izay nesorin’ny Kaominina ho fanatsarana ny tsena no nanatofana izany. Ny delegen’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Sainte Marie no nitarika ny…

Education civique & citoyenne, Tagnamaro

TAGNAMARO FENOARIVOBE 

TAGNAMARO FENOARIVOBE Fanadiovana sy fanesorana ireo lobolobo tao amin’ kianja filalaovana Basket sy Volley tao amin’ny Vikabe Fokontany Andranomirafy no nanamarihina ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tamin’ity sabotsy 16 aprily 2022 ity taty amin’ny Kaomina Fenoarivobe. Ankoatr’ireo olontsotra sy fikambanana maro samihafa dia tonga maro ihany…

Plateforme MCC DSI.